“Na mbola anaty lavaka maizina aza isika, miezaka ny hamelona na te hamono aza ny sasany”, hoy ny filohan’ny fiadidiana ny Fanavoazana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny fitsidihana ifotony ny orinasam-panjakana Société d’etude, de construction et de réparation navale (Secren), tany Antsiranana, afakomaly. Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny famelomana ny hambom-pirenena ny famelomana indray ireo orinasam-panjakana.
Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, voaray omaly: izay nomena fahefana hisolo tena ofisialy ny Repoblikan’i Madagasikara amin’ny fivoriana iraisam-pirenena sy hitondra tenin’ny firenena ihany no afa-kaneho ny toeran’i Madagasikara manoloana ny toe-draharaha politika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Izany dia noho ny fisian’ny olona maka toerana sy miteny eo amin’ny hetsika iraisam-pirenena momba ny politikan’i Madagasikara.
Hatramin’izao, tsy manana solontena eny anivon’ny Antenimierampirenena ny vahoakan’i distrikan’i Soavinandriana, Faritra Itasy. Tsy hita ny depiote tsy miankina voafidy tany an-toerana, Ramanatanana Romeo Christophe. Nivoaka ny fonja noho ny toe-draharaham-pirenena izy nefa tsy gadra politika, fa voaheloka folo taona am-ponja noho ny fikasana hanondrana antsokosoko sokatra. Efa nilaza ny minisitry ny Fitsarana fa tsy maintsy miverina ireo gadra nivoaka tsy ara-dalàna.




