Mitohy ny fanavaozana ataon’ny minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB) ho fanatsarana ny fitantanana ny jono makamba eto Madagasikara. Antony indrindra nanaovana ny fivoriana fampahafantarana ho an’ireo orinasa malagasy liana amin’ny fitrandrahana ny makamba vaventy eto amintsika ny alarobia teo, teny Ampandrianomby. Kendrena ao anatin’izay ny hahamatihanina kokoa sy hampangaraharaha ny jono, hanajana ny fitsipika ary hisorohana ny fanaovana ampihimamba ny sehatra. Nivoitra nandritra ny dinika natao ny hametrahana rafitra mazava sy ara-drariny mba hiantohana ny fampandrosoana maharitra ny harena an-dranomasina. Tanjona, araka izany, ny hampitomboana ny vola vahiny miditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana, hatao ara-drariny sy manara-dalàna ny fifaninanana eo amin’ireo orinasa mpisehatra. Hatsaraina ihany koa ny sehatra mba hampakarana ny vidim-bokatra ka hipaka mivantana amin’ny fiarahamonina.
Dingana
Fanohizana ireo dingana efa natomboka sy fepetra takina ho an’ny fahazoan-dalana hisehatra amin’ny jono makamba ny fivoriana natao. Tsiahivina fa nisanda hatrany amin’ny 105 miliara Ar ireo makamba 3 065 taonina (t) naondran’i Madagasikara ny taona 2024, raha milanja 3 548 t ny vokatra azon’ireo sambo 38 an’ireo orinasa miisa dimy nahazo fahazoan-dalana hitrandraka. Ireo makamba 481 t tamin’ny ireo vokatra azo kosa no namidy teto an-toerana. Marihina fa hiverina hisokatra ny 1 marsa ny taom-panjonoana makamba ho an’ny taona 2026. Andrasana hitondra vokatra tsara ho an’ny toekarena sy ny fampandrosoana maharitra ny toekarena manga ity sehatra ity.
Henintsoa




