Voasambotry ny mpitandro filaminana eo anivon’ny zandarimaria ny lehilahy iray namono nahafaty ny rahalahiny, tao amin’ny tanànan’Antenina Sahalava, kaominina Ampasimbe Manasatrana, afakomaly. Nifanaraka andro vitsivitsy lasa talohan’ny fety ireo mpirahalahy ireo. Nivarotra ravin-jirofo tamin’io mpiray tampo aminy io, araka izany, ny lehilahy iray. Mitetina 70 000 Ar ny vidin’ny entana. “Nanome vola mitetina 60 000 Ar ho sandan’ny ravin-jirofo ilay nividy”, araka ny fanazavan’ny ramatoa vadiny. Noraisin-drahalahiny soa aman-tsara io vola io saingy tsy nentiny nody tany an-tokantrano fa nasitriny ho azy irery. Nikasa haka ny ravin-jirofo izay efa vita fifanarahana ny rahalahin’io nivarotra io. Tsy hisian’ny olana ara-piarahamonina eo amin’ny tokantranon’ny roa tonta, nampahafantatra ny vadin’ilay tompona jirofo ilay rahalahiny izay nividy ny raviny. Tsy nanaiky ny hangalana ny ravin-jirofo tampoka anefa io lehilahy efa nandray ny vola io. Nilaza tamin’ny vadiny ity farany fa tsy nivarotra velively ny ravin-jirofo tamin’ny rahalahiny izy. Niafara tamin’ny fikasihan-tanana sy fampiasana zava-maranitra ny tsy fitovian-kevitra teo amin’izy mirahalahy. Namoy ny ainy vokatry ny ratra mafy nahazo azy ilay lehilahy. Nandray andraikitra ny zandarimaria miasa ao Sainte Marie ka voasambotra ny nahavanon-doza. Nentina natao famotorana avy hatrany izy ary hatolotra ny fampanoavana.
Tsiferana R.




