TSELATRA

Manamboninahitra iray, ao amin’ny Tafika an-tanety, antsoina hoe : Rakotomalala Jean Ernest, karo­hin’ny zandary fatratra amin’izao fotoana izao. Antony ha­nenjehana azy ny resaka fisolokiana sy fivadiham-pitokisana. Marihina fa misesisesy ny fikarohana olona ataon’ny zandary tato ho ato.

Hita omaly, ny vatana mangatsiakan’ilay lehilahy nanjavona tampoka tao anaty ranon’i Mandritsara, ny ny talata 6 janoary 2026 lasa teo. Niara-nandro tamin’ny vadiny, teo amin’ny ranon’i Simiagnona, ao amin`ny kaominina Ampatakanamaroreny distrikan’i Mandritsara izy. Saika hitsidika rafozana izy mivady no izao tra-doza izao. Efa eo am-pelatanan’ny fianakaviany ny razana.

Partager sur: