Tantsaha miisa 191 ao amin’ny kaominina Ankerika, distrikan’Antsohihy, Faritra Sofia no nahazo fanohanana ara-pitaovana sy hanam-pamokarana avy amin’ny Minae tamin’ny alalan’ny Tetikasa Riz Plus izay vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. Ny Tetikasa Riz Plus dia mikendry ny hanatsara ny fiveloman’ny tantsaha miisa 40 000 any amin’ireo faritra roa iasany, dia i Sofia (13 250) sy Alaotra Mangoro (26 750), ary koa ny hahafahan’ny tantsaha miisa 165 000 misitraka ny « bons ».
Vonona hihaino sy hiara-hitady vahaolana maharitra momba ny sehatry ny fitaterana ny rafi-panjakana sy ny EDBM. Tanjona ny hanangana toekarena matanjaka sy maharitra. Niara-nidinika tao anatin’izay ireo kaoperativa mpitatitra sy MIDSP ary ny EDBM ho fanohanana ny sehatra tsy miankia sy ny toekarena malagasy.
96% ny fanamboarana ny lalam-pirenena fahenina (RN6) eo anelanelan’Ambanja sy Ambilobe no efa vita. Efa vita ihany koa ny 90% ny lalana mampitohy an’Ambilobe sy Antsiranana. Tanjona ny hanatsarana sy hanarenana ny lalam-pirenena ho an’ny fampivoarana ny toekarena sy ny fiainan’ny mponina any an-toerana.




