FANTINA sy FINTINA

Misy misovoka ao anaty fitondrana amin’izao, araka ny fanehoan-kevitry ny depiote tsy miankina voafidy tany Mahajanga II, Ramananarivo Orlando. Mila jerena akaiky sy hanapahan-kevitra ny momba izay. Maro ireo fanaratsiana mandeha, manimba endrika ny fitondrana. Sarotiny ry zareo izay manohana an’izao fitondrana mijoro izao. Maro ireo olona tratra sy voasaringotra amin’ny fitondrana ny anaran’ny Fanavaozana any amin’ny Faritra sy distrika misy azy.
Anisan’ny volana atahoran’ny Malagasy ny janoary sy febroary, araka ny fijerin’ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard. Ahoana no iainana izany amin’ny fiavian’ny rivodoza, ny maitsoa­hitra… ? Indraindray, fotoana isian’ny korontana eto amin’ny tany sy ny fanjakana izany. Inona ny fihavao­zana entina ao anatin’izay? Mba hisian’ny filaminana sy fitoniana tokoa… Miankina amin’ny tsirairay izay. Miainga any amin’ny fianakaviana sy ny fiarahamonina.
Naneho ny heviny ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny Irmar tany Vondrozo, i Bototefy Herima­nan­tsoa Odilon, manoloana ny fihetsiketsehan’ny kandidà tsy miankina mpifanandrina taminy nefa tsy resy tamin’ ny fifidianana depiote. Tanjon’io kandidà io ny haka ny toeran’ny depiote ary hanararaotra ny toe-draharaha politika misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Mitady hanao izany hetsika politika izany amin’ny tsy ara-dalàna amin’ny fomba rehetra ny mpifanandrina izy.

Partager sur: