Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy amin’ny digue, akaikin’ny Apipa Amboavahy, afakomaly alina. Fiara taxi iray no nivarina tao anaty rano, teny an-toerana, izay nitondra olona telo. Avy any amin’ny Art Malagasy hihazo an’Andranomena io fiara niharan-doza io. Namoy ny ainy nandritra izany, ny olona telo tao anatiny. Nahitana lehilahy roa (mpianaka), izay tompon’ny fiara sy ny zanany lahy. Niaraka tamin’ny vehivavy iray hafa, izay maty ihany koa. Tsy nisy nahita ny lozam-pifamoivoizana ka ny maraina vao tsikaritry ny olona. Tonga teny an-toerana nikaroka sy nampiakatra ireo vata mangatsiaka tao anaty rano ny mpamonjy voina, omaly maraina. Nandeha mafy avy any amin’ny Art Malagasy any io fiara io ka tafavoaka ny lalana ny fiara, avy eo, nivarina tany anaty rano, teo ampitan’ny Apipa Amboavahy.
Mino




