Minisi-panjakana Razafimanantsoa H. : “Vitaina amin’ity taona ity ny fikaonandoham-pirenena”

“Tsy maintsy vita alohan’ny faran’ny taona 2026 ny fikaonandoham-pirenena”, hoy ny minisi-panjakana eo anivon’ ny fiadidiana misahana ny Fanavaozana ny Repoblika, Razafimanantsoa Hanitra, tamin’ny mpanao gazety, teny Antaninarenina, omaly.

Efa vita ny tombana ny zava-misy, fa ny fomba hanatanterahana azy izao. Fametrahana ny foto-kevitra sy ny fomba fiasa ary ny rafitra rehetra ilaina amin’ izany àry ny telo volana voalohany. Eo koa ny fametrahana ny ekipa rehetra hanatante­raka azy. Miainga any ifotony ny fakan-kevitra, miakatra hatrany amin’ny sehatra na­sionaly. Ny amin’ny fahaiza-manao kosa ny telo volana faharoa. Tsy maintsy hofanina ireo mpanofana. Eo ny fanomezan’ny minisiteram-pan­jakana traikefa sy fahaiza-manao ho an’ireo mpitarika an’alina : mba hitovy ny hatao. Ao anatin’izay ny fametrahana ny rafitra sy ny fitaovana ia­sana.
Tsy mametraka na miteny na hanery ny hevitra avy aminy ny mpitarika, fa mihaino sy mandray ny hevitr’ireo mpandray anjara rehetra. Anjarany ny mandrakitra izany ao anatina tahirin-kevitra iray, izay halefa any amin’ny minisiteram-panjakana. Izay no havadika ho volavolan-dalàmpanorenana ho amin’ny fanavao­zana hidirana amin’ny Repo­blika V, araka ny hetaheta sy ny fitakiam-bahoaka. Amin’ny enim-bolana faharoa no ha­nombohana ny fikaonandoham-pirenena. Fakan-kevitra ifotony na eny amin’ny fokontany ny roa volana voalohany amin’izany. Eny anivon’ny kaominina ny roa volana faharoa. Ny iray volana manaraka, eny anivon’ny Faritra. Ny iray volana farany, fikaonandoha nasionaly. “Fanavaozana ny Repoblika no hatao”, hoy izy. Ao anatin’izany ny rafitra, ny fitondrana ny fahefana, ny andrimpanjakana… Singa lehibe iray enti-manao fanavaozana ny fikaonandoham-pirenena.

R. Nd.

Partager sur: