Nanao fanambarana tamin’ny mpanao gazety, ny mpisolovava ny solombavahoaka voafidy tao Fianarantsoa I, Sahondrarimalala Marie Michelle, omaly. Nampanaovin’ny polisy économique Anosy, sonia mahakasika ny famaranana ny fitazomanana azy, ity minisitra teo aloha ity, omaly tamin’ ny 11 ora sy sasany atoandro. « Mbola tsy afaka nody anefa izy io, hatramin’ny omaly hariva, satria angatahan’ny Brigade criminelle atao fanadihadiana indray », hoy ny Maître Richel Rajaoarifetra Maître Nicaise Chen.
Raha tsiahivina, natao fisavana tamin’ny alahady 4 janoary 2026 lasa teo, ny trano fonenany. Noentina nanaovana fanadihadiana teny anivon’ny polisy économique Anosy ny tenany taorian’izay. Voatazona teny an-toerana, niatrika famotorana sy fanadihadiana ny tenany, tao anatin’ny dimy andro. « Anisan’ny famotorana natao taminy, ny momba ny maha minisitra azy teo aloha. Teo koa ny enquête patrimoniale mahakasika azy sy ny vadiny », hoy hatrany ny mpisolovava azy. Marihina fa manan-janaka telo ity solombavahoaka voafidy tany Fianarantsoa I ity.
Mino




