Tobim-pitsaboana Loterana Ambohibao : Nahazo fitaom-pitsaboana manara-penitra

Vaindohan-draharaha ny tobim-pitsaboana Lote­rana Ambohibao (TPLA) ny hanatsarana hatrany ny fi­tsaboana sy ny fanasitranana ny marary. Anke­hitriny, nahazo ny fitaovana vaovao “radiographie numérique et audiométrie” manara-penitra ny TPLA hanamafisana ny tolotra ata­ony. Marihina fa nandritra ny fankalazana ny faha-40 taona ny tobim-pitsaboana no efa nahazo efitrano vaovao fanaovana “échographie” ny TPLA, navaoziny tamin’izay ihany koa ny efitrano fiterahana ary nandray ireo fitaovana samihafa vaovao izy. Amin’izao, manana ireo rafitra samihafa momba ny fitsaboana ny TPLA, ma­nampy izany ny sampana fitsaboana ny fidorohana ny zava-mahadomelina. Teknolojia avo lenta tanteraka ny “radiographie numérique”, mazava ny sary. ” Manampy amin’ny fijerena ny antsipirihan’ny aretina izy ka manamora ny fandidina atao”, hoy ny talen’ny TPLA, Ranari­vony Pro­sper. Notohi­zany fa “mazava kokoa ny sarin’ireo taolana tapaka, fohy kokoa ny fotoana ahazoana ireo clichés ary azo alefa ana habaka izany raha ilaina”. Ankilany, manamafy amin’ny famantarana bebe kokoa ny olan’ny fihainoana sy ny fitsaboana haingana sy mahomby ary mifanaraka aminy ny efitrano misy ny “audiométrie”. Ankoa­tra izay, fantatra amin’ny fitsaboana ny “prostate” amin’ny alalan’ny “endoscopique” sy ny fitsabo­ana ny fidorohana ny zava-mahadomelina izay mahaka­sika olona manodidina ny 400 isan-taona ity tobim-pitsabo­ana ity.

Henintsoa

Partager sur: