Taoriian’ny fifampidinihana teo aminy sy ny minisitry ny Fitsarana, niverina anya m-ponja ny depiote voafidy tao Soavinandriana, Ramanatanana Roméo. Voarohirohy amin’ny trafikana sokatra ity farany.
Tsy afa-bela… Niverina any amin’ny fonjaben’ Antanimora (?) fa tsy Tsiafahy, ny faran’ny herinandro teo, ny depiote tsy miankina voafidy tany distrikan’i Soavinandriana, Faritra Itasy, Ramanatanana Roméo Christophe. Izany dia taorian’ny fihaonany sy ny fifampidinihana naharitra tamin’ny minisitry ny Fitsarana sy ny mpanolotsaina momba ny lalàna eo anivon’ny minisitera, araka ny loharanom-baovao iray. Voaheloka higadra folo taona sazy mihatra niampy fandoavana onitra izy noho ny fikasana hanondranana sokatra antsokosoko sy ny famotsiam-bola niaraka tamin’ireo mpiara-miasa taminy. Niaiky io depiote io fa tsy manana ny maha gadra politika azy izy, ary nanaiky ny hanaja ny fanapahan-kevitra ara-pitantanam-panjakana.
Raha tsiahivina, tamin’ny 24 desambra 2024 no nahatratrana azy tamin’ny raharaha niampangana azy. Ny volana avrily 2025 izy no nampidirina am-ponja teny Tsiafahy. Araka izany, tsy misy antony politika no nampidirana am-ponja azy. Noho ny toe-draharaha politika teto amin’ny firenena, anisan’ireo nivoaka ny fonja izy fa hoe gadra politika na tsy izany aza. Anisan’ny nanao antso fanairana sy nampiaka-peo ny amin’izay famoahana tsy ara-dalàna ny voafonja izay ny teo anivon’ny fiarahamonina sivily toy ny Transparency International – Initiative Madagascar, ohatra. Nampahatsiahy sy nanamafy koa ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fanirisoa, ny 3 janoary lasa teo, ny amin’ny tokony hiverenan’ireo voafonja nivoaka tsy ara-dalàna.
R. Nd.




