Fadintseranana malagasy : Nampidi-bola maherin’ny 3 miliara Ar

Niakatra 6% ny vola nampidirin’ny fadintserana raha oharina ny tamin’ny taona 2024. Mikendry hatrany ny hanatsara ny fomba fiasany ity rafi-panjakana ity ho an’ny taona 2026.

Tsara ny vokatra ho an’ny fadintseranana malagasy. Tafakatra hatrany amin’ny 3 642,3 miliara Ar ny vola nampidiriny tao anatin’ny 11 volana voalohan’ny taona 2025. Niakatra 6% io vokatra io raha oharina ny tamin’ny 11 volana voalohan’ny taona 2024. Tratra avokoa, araka izany, ny 83,42% ny tanjona napetraky ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana. Porofo izany fa manomboka mihatsara ny vokatra. Na izany, mbola ny fanafarana entana no isan’ ny mampidi-bola betsaka ho an’ny fadintseranana. Araka izany, tombanana hahatratra hatrany amin’ny 4 366 miliara Ar ny totalim-bola azon’ity rafi-panjakana ity tamin’ny taon-dasa ka ny 72% dia azo avy amin’ireo entana samihafa raha toa ka azo avy amin’ny solika ny 28 % amin’izany. Maneho izany fa mitana ny laharana voalohany amin’ny fanafarana ataon’i Madaga­sikara ny akora fototra izay mitentina hatrany amin’ny 5 793,1 miliara Ar. Manaraka izany ireo fitaovana sy koja­koja samihafa izay tomba­nana ho 4 128,4 miliara Ar. Tarehi­marika izay mampiseho ny fampiasam-bola ambony entina hanodinana sy hamokaran’ny indostria malagasy sy ny fanamboarana fotodrafitrasa samihafa.
Vina manditra ny taona

Tombanana hahatratra ha­trany amin’ny 5 026 miliara Ar ny vola hampidirin’ny fa­din­t­seranana malagasy ho an’ny taona 2026. Kendrena ao anatin’izay ny hanatsarana sy hanamafisana ny fomba fiasany sy ny andraikitra sahaniny. Je­rena manokana ny fampidirana hetra fanampiny. Tan­jona izay hiantohana sy hana­tsa­rana ny fitantanam-bola ho an’ ny fampandrosoana ny firenena.

Henintsoa

 

Partager sur: