Mandray anjara mavitrika amin’ny fivorian’ireo Governoran’ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana (Bad), izay atao any Abidjan nanomboka ny talata 6 janoary, ny minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola malagasy, Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé. Fihaonana ambony natao ho sehatra ifampizarana traikefa sy fifampidinihana ara-stratejika eo amin’ireo firenena mpikambana sy ny Bad, indrindra amin’ny lafiny famatsiam-bola sy ny tetikasa fampandrosoana. Manana lanjany manokana ny fivoriana amin’ity taona ity, satria voalohany hitantana ny Bad, i Sidi Ould Tah. Nanolotra ny lalan-tsaina sy vina entin’ny governemanta malagasy mahakasika ny Politika Ankapoben’ny Fanavaozana ny Fanjakana ny minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, nandritra ny fifanakalozany tamin’ny ity filoha vaovao ity. Nasongadiny manokana ny fanavaozana ny fitantanana ara-bola, ny fanatsarana ny mangarahara ary ny fanamafisana ny fahombiazan’ny rafitra ara-panjakana ho fanohanana ny fitomboana ara-toekarena maharitra. Naneho ny fahavononany hiara-hiasa akaiky amin’i Madagasikara ny filohan’ny Bad, sady nanamafy fa vonona ny Banky hanohana ireo laharam-pahamehana napetraky ny fanjakana malagasy, indrindra amin’ny alalan’ ny famatsiam-bola sy fanohanana ara-teknika.
Henintsoa




