Tonga niarahaba ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, niaraka tamin’ireo mpanolotsaina avo, teny Lapan’ Ambohitsorohitra, afakomaly, noho ny taona vaovao 2026, ny fianakaviamben’ny Tafika notarihin’ny minisitry ny Foloalindahy, ny jeneraly Razafitombo Maminirina Ely. Nanambaran’ny filoha fa fanehoana fiaraha-mandroso ny fahatongavan’izy ireo. Tsy hanala baraka ny Tafika izy amin’izao fitondrana ny firenena izao.
Manomboka tonga ny fahazavana eto amin’ ny firenena, araka ny nambaran’ny filoha mpanorina ny antoko Tiako i Madagasikara (Tim) tamin’ny ilay hetsika fifampiarahabana noho ny taona vaovao 2026 teny amin’ny Magro, Tanjombato, afakomaly. Na izany aza, nohamafisiny tamin’ireo mpikatroka Tim fa tsy maintsy tohizina ny fanaraha-maso. Tanana ny azo fa sarotra ny mila amin’ny fanohanana ny fitondrana. Efa misy ny zava-bita, fa tsy vita irery na indray andro.
Nanao fitsidihana fanaovam-beloma ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Razanamahasoa Christine, teny Anosy, ny faran’ny herinandro teo, ny ambasadaoron’i Rosia niasa sy nonina teto Madagasikara, Sem Andrey Andreev. Voaresaky ny roa tonta tamin’ izany ny fahatsaran’ny fifandraisana ara-tantara sy ara-pirahalahiana misy eo amin’i Madagasikara sy i Rosia. Nohamafisina ny finiavana iombonana ho amin’ ny fiaraha-miasa bebe kokoa amin’ny fiaraha-miombon’ antoka.




