Nangalatra sy saika hanolana : Lehilahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka

Lehilahy iray 25 taona, matin’ny fitsaram-bahoaka tetsy Ambatomaro Fétiche, omaly hariva tokony tamin’ny 2 ora sy fahefany tolakandro. Raha ny vaovao voaray, na­nendaka ary saika mbola hanolana vehivavy 18 taona iray, mipetraka eny Amboan­jombe, io lehilahy io sy ny namany iray hafa. Hitan’ny fokonolona izy ireo, ka nifanenjehana. Tratran’ny olona ny iray tamin’ireo olon-dratsy, raha tafaporitsaka kosa ny iray hafa.
Niezaka namono io olon-dratsy io avokoa ny olona teny an-toerana, vantany vao tratra ity farany. Tao ny nitora-bato, namely tamin’ny hazo, nandaka sy namely totohondry sy ny maro hafa. Vokany, naratra mafy ity lehilahy ity, mangana sy nivonto ny lohany, feno ra ny tarehiny. Tsy navelan’ny fokonolona raha tsy torana, tsy nahatsiaro tena ity farany.
Tonga teny an-toerana nisehoan’ny zava-nitranga ny polisim-pirenena avy amin’ny CSP3 taorian’ny antso. Efa nihohoka tamin’ny tany, tsy na­hatsiaro tena ilay olon-dratsy niharan’ny fitsaram-bahoaka tamin’ny fotoana nahatongavan’izy ireo teny an-toerana. Noentina haingana teny amin’ ny hopitaly Soavinan­driana Cenhosoa ity farany taorian’ izay. Noho ny ratra mafy na­hazo azy, tsy tana anefa ny ainy rehefa tonga teny amin’ny hopitaly, tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro. Nanambara fa lasan’ireo olon-dratsy tamin’ izany, ny vola 10 000 Ariary sy ny karapanondron’io vehivavy lasibatra io.

Mino

Partager sur: