Voajinja avokoa ny 70% ny vary ao Andriamiarana Morondava, kaominina Ambohibao Antehiroka, distrika Ambohidratrimo. Ankehitriny, efa masaka ihany koa ny ambiny ary mandeha tsara ny fanalana rano
ka tsy atahorana amin’ireo vary masaka na teo aza ny rotsakorana nandritra ny faran’ny herinandro.
Nampanantsoina avokoa ireo mpivaro-kena tsy mbola nahavita fanamarinana fitaovam-pandanjana. Hetsika natao nandritra ny fidinana ifotony sy fanaraha-maso ireo mpivaro-kena eto an-drenivohitra izay niarahan’ny minisitera voakasika sy ny Fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Notsirihina tao ny kalitao, ny fiaviana ary ny fahasalaman’ny hena amidy.
Mitohy ny fanarenana ny lalam-pirenena faharoa (RN2). Nojerena avokoa ireo teboka mampanahirana sy mampitaraina ny mpampiasa lalana indrindra ireo fiara vaventy. Nisy ny torolalana handaminana sy handrindrana ny fifamoivoizana mba hanamaivanana ny fahasahiran’ny mpampiasa lalana.




