Ahina ho namono tena : Lehilahy hita faty nihantona

Nifatotra tady teo amin’ny tendany, nihantona tao an-tranony, ny lehilahy iray 22 taona, tao Nosy Varika, omaly.

Fatin’olona nihantona tamin’ny tady tao an-trano no hitan’ny ankizy iray tao amin’ny fokontany Tanambao V, distrikan’i Nosy Varika, omaly atoandro. Tovo­lahy vao erotrerony, satria vao 22 taona monja io hita faty io. Avy nisakafo atoandro, ka nampaniraka ankizy haka ny lovia avy nihinanan’io vinantony io ny rafozany, araka ny loharanom-baovao. Niditra ny trano, niantso vonjy tamin’ny olona manodidina ilay ankizy noho izy nahita fatin’olona nihantona. Nijery ny zava-nisy ny fokonolona ao an-toerana. Nahenjan’ny tady izay nifatotra tamin’ny hazon-tafo ny tendany. Nihantona, araka izany, ny vatany izay efa tsy nisy aina intsony tamin’ny nahitan’ny manodidina azy. Ni­antso manam-pahefana avy hatrany ireo nanatri-maso. Nidina ifotony ny mpitsabo sy ny mpitandro filaminana nijery ny zava-nisy.

Namono tena
Taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo, ahina ho na­mono tena ilay lehilahy. Tsy nisy olon-kafa ankoatra ilay hita faty rahateo tao anatin’ny trano nandritra ny fotoana ni­janonany tao an-trano. Ana­tin’ ny famotorana tanteraka mom­ba ity tranga ity ireo mpitandro filaminana miasa ao Nosy Va­ri­ka. Tsy fantatra ma­za­va raha­teo ny antony nahatonga azy nanantona ny tenany tamin’ny tady. Miasa manao mpanampy an-trano tao amin’ny mpan­draharaha iray ao an-toerana io olona namoy ny ainy io. Andrasana ny voka-panadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana misahana ny raharaha. Marihina fa mirongatra ny famonoan-tena tato ho ato. Tanora vao erotrerony avokoa ireo lasibatra. Anisan’izany ilay mpifankatia naira-nihinana poizim-boalavo tao amin’ny distrikan’i Manjakandriana, ny faran’ny herinandro teo. Tsy tana ny ain-drahalehilahy raha toa ka avotra ny sakaizany izay vao 15 taona monja.

Tsiferana R.

Partager sur: