Ny vokatra malagasy : Tokony hanaraka ny fenitra takina

Manana vokatra marolafy azo trandrahina i Madagasi­ka­ra entina hampandrosoana ny toekarena sy hampivelarana ny fifanakalozana amin’ny va­rotra. Na izany aza, mila ma­naraka fenitra takin’ireo Nosy rahavavy ny vokatra raha ham­piditra izany amin’ny tsena ao amin’ny ranomasimbe Indiani­na. “Ma­nampy hifehezana ny tsena ny kalitaon’ny zavatra vokarina”, hoy ny mpamokatra iray. Ilaina koa, hoy izy, ny mampitombo ny vokatra, ha­ha­fahana mifaninana. Eo koa ny fahaiza-ma­nao matihanina ao anatin’ny asa, ho fampivoarana ny se­hatry ny fambolena sy fiompiana eto Mada­ga­sikara. Nila­za izy fa hahafahana mametraka io sehatra io ho andry iankinan’ny fampandrosoana ny toekarena ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina, miampy ireo mpiara-miombon’antoka.

Vokatra
Tafakatra hatrany amin’ny 147 700 taonina ny katsaka hafaran’ireo Nosy rahavavy, ka ny 94% amin’io no hafaran’ny Nosy Maurice any amin’ny firenen-kafa ivelan’ny ranomasimbe Indianina. Ankoatra izay, manodidina ny 17 250 t ny hena miloko mena hafaran’ireo Nosy manodidina antsika. Ny 80% amin’izany no an’i Maurice sy La Réunion, raha ny 20% kosa no an’i Comores sy Seychelles. Manafatra he­nan’akoho 39 000 t i La Réu­nion, Comores ary Seychel­les. Mbola manafatra tongolo 22 280 t koa ireo Nosy ireo saingy ny 4 500 t ihany no aondrantsika ao Comores sy La Réunion. Vokatra izay ananan’i Madagasikara sy azo atolotra eny amin’ny tsenan’ny ranomasimbe Indianina.

Henintsoa

 

Partager sur: