RN5, Toamasina-Foulpointe: Mitohy ny fanamboarana

Tafiditra amin’ny fanarenana ny lalam-pirenena fahadimy (RN5) izay mampitohy an’i Toamasina sy Foulpointe, ny fitondram-panjakana amin’izao. Lalana stratejika ho an’ny fivezivezena samihafa, indrindra nandritra fotoam-piotazana letisia, io lalam-pirenena io. Anatin’ny asa tanteraka amin’izao fotoana ireo tomponandraikitra na teo aza ny fahatarana noho ny antony maro, toy ny rotsakorana nifanesy. Nana­nosarotra ihany koa ny fangalana ireo akora sy vato eny amin’ny “carrière” noho ny haratsin’ny lalana.
Araka izany, harenina manontolo ny RN5, misy ny ampahan-dalana atao “béton”, misy kosa ny hatao godirao. Anke­hitriny, miomana amin’ny fanatanterahana ny lalana tara ny tomponandraikitra vantany vao feno ny fepetra mahakasika ny akora ilaina. Efa vita tanteraka kosa ny “chaussée rigide”. Ma­ma­tsy vola ny tetikasa ny Banky iraisam-pirenena. Ankoatra izay, miroso mianavatra ny asa, ary efa mandeha ihany koa ny fanamboaran-dalana ao an-tampon-tanànan’i Toamasina.

Henintsoa

Partager sur: