Tafakatra 16 ireo olona namoy ny ainy vokatry ny rotsakorana be loatra teto amin’ny Nosy, raha ny tatitra navoakan’ny BNGRC omaly atoandro. Voakasik’izany ny tao anatin’ny kaominina 14, disitrika 13, faritra miisa efatra. Olona dimy tamin’ireo maty nilatsaham-baratra tany Anjozorobe. Iray hafa maty nirodanan’ny trano tetsy Bemasoandro Itaosy, efatra nirodanan’ny tamboho teny Soavina. Roa hafa kosa maty nirodanan’ny trano teto Antananarivo Renivohitra. Olona iray nirodanan’ny trano tany Morondava, iray maty an-drano tany Betioky Atsimo ary olona roa hafa nirodanan’ny trano tany Ihosy. Olona 13 naratra nandritra izany. Teto Antananarivo Renivohitra ny enina tamin’ireo, telo hafa tao Antananarivo Antsimondrano ary olona efatra tany amin’ny distrikan’Ihosy.
Ankoatra izay, mahatratra 5 833 ireo traboina manerana ny disitrika 13. Efa nafindra amin’ny toerana voatokana ny 1 246 amin’izany, izay notsinjaraina amin’ny toeram-pandraisana miisa enina. Namonjy ny olona akaiky sy ny havany kosa ny 122 ambiny. Etsy ankilany, nanodidina ny 1 223 ny trano dibo-drano, 123 ny fotodrafitrasa simba.
Efa somary nahitana fiatoana kely ny firotsahan’ny orana teto amin’ny Nosy, tao anatin’ny telo andro izay. Somary nahitana fihenany kely koa ny hahavon’ireo renirano hatramin’ny omaly.
Mino




