Taom-pahombiazana ho an’ny sehatry ny fanondranana lohamenaka ny taona 2025 satria nampidi-bola hatrany amin’ny 452,3 miliara Ar tao anatin’ny kitapombolam-panjakana. Vokatra 6 700 taonina no naondrana teo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Tsara ny vokatra, tafakatra hatrany amin’ny 6 700 taonina ny lohamenaka naondran’i Madagasikara tao anatin’ny 11 volana voalohan’ ny taona 2025. Nampidi-bola manodidina ny 452,3 miliara Ar izany, araka ny tatitra navoakan’ny fadintseranana malagasy. Porofo fa manan-danja betsaka amin’ny varotra ivelany sy amin’ny sehatry ny fanondranana ity lalam-pihariana ity. Ny volana avrily no tena nahitana ny fiakaran’ny fanondranana izay nahatratra hatrany amin’ny 1 000 t, nisanda hatrany amin’ny 60,1 miliara Ar. Nidina tany amin’ny 400 t ny vokatra naondrana nandritra ny volana mey sy jolay ary oktobra teo. Tombanana ho nampiditra 27 miliara Ar tao anaty kitapombolam-panjakana.
Fivoarana
Nivoatra ny sehatry ny fanondranana lohamenaka tao anatin’ny 10 taona. Nampidi-bola manodidina ny 416,9 miliara Ar izany ny taona 2024, raha toa ka 99 miliara Ar monja tamin’ny taona 2015. Nitombo nanaraka izay koa ny vokatra tao anatin’ireo vanim-potoana ireo. Tafakatra 6 200 t, raha toa ka 1 700 t izany taloha. Nisongadina tao anatin’izay fa nihoatra ny taham-bokatra naondrantsika nandritra ny taona 2024 ny habetsaky ny lohamenaka malagasy niditra teo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny volana novambra teo. Nahatonga ny taona 2025 ho taom-pahombiazana amin’ny fanondranan’i Madagasikara lohamenaka. Ankoatra izay, nihaona tamin’ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy ny vondron’ny mpanondrana lohamenaka eto Madagasikara (Gehem), omaly. Fotoana iray nanamafisana ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Nivoitra tao anatin’izany ny vina ho an’ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina ho fampandrosoana maharitra ity lalam-pihariana ity.
Henintsoa




