TSELATRA

Niakatra fampanoavana tao Fianarantsoa, omaly, ilay ramatoa 24 taona malaza amin’ny fangalarana kavin-jaza tany Ambalavao Tsienimparihy. Naiditra vonjimaika am-ponja ny tenany taorian’izay. Any an-tsekoly sy any am-piangonana ny toerana fanaovany asa ratsy. Tra-tehaky ny polisim-pirenena tamin’ny herinandro lasa teo izy. Manan-janaka telo, vao telo volana monja ny farany, ity ramatoa ity.
Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny Brigade territoriale Brickaville ny lehilahy iray malaza amin’ny famakiana trano. Nifanehatra tamin’ny zandary nanao fisafoana izy sy ny namany roa hafa. Voasam­botra ny tenany, raha tafaporitsaka ny roa ambiny. Tsiahivina fa namaky tranon’olona iray izy ireo ny alin’ny 24 hifoha 25 desambra 2025. Voarakitra tao anaty camera de surveillance ny sariny, nandritra izany.
Lehilahy roa, Malagasy, nampodiana aty Mada­gasikara rehefa tratra nipetraka tsy nisy taratasy tatsy Mayotte. Nisambotra azy ireo ny polisin’ny Groupe d’Appui Opérationnel. Niasa nanao trano tany amin’ity Nosy ity izy roa lahy nefa tsy mandray karama araka ny tokony ho izy. Efa voasazy ireo tompon-tany mampiasa mpifindra monina antsokosoko any an-toerana, amin’izao fotoana.
Niakatra fampanoavana, omaly, ny lehilahy iray tratra nanendaka teny Ivandry, ny herinandro lasa teo. Tra-tehaky ny polisy avy amin’ny CSP8 Analamahitsy teo am-panaovana ny asa ratsiny. Lasany, tamin’izany, ny finday Iphone 11 Pro max iray izay efa naverina amin’ny tompony. Mpangarom-paosy eo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be eo Ivandry izy io.  Mampiasa hareza izy handidiany ny kitapon’olona.

Partager sur: