Notsatohan’ny tsy valahara tamin’ny zava-maranitra teo amin’ny lohany ny raim-pianakaviana iray mpivarotra omby tao amin’ny fokontany Anandrobato, kaominina Ambalakirajy, distrikan’i Mandritsara, omaly. Hita faty tao anatin’ny renirano Mangarahara tsy lavitry ny ivontoeram-panofanana iray ao an-toerana io lehilahy io. Nakarin’ny fokonolona an-tanety ny nofo mangatsiakany. Nidina ifotony ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo nizaha ilay lehilahy. Tsatoka zava-maranitra iray teo amin’ny loha niampy mangana tao amin’ny hatoka no hitan’ny mpitsabo. Vono olona, araka izany, ity tranga tao an-toerana ity. Naka vidin’omby tany Mananara Avaratra io raim-pianakaviana io, kinanjo izao nisy namono izao. Tsy hita ny vola vidin’omby avy nalainy. Misokatra ny fanadihadiana.
Tsiferana R.




