Depiote miisa dimy avy amin’ny Irmar no hoesorina. Efa voarain’izy ireo ny taratasy avy amin’ny HCC. Manana herinandro hiarovan-tena ry zareo ka hanampy amin’ny fiarovana ny lehiben’ny mpanohitra, Milavonjy Philobert.
Voaroaka tsy ho solombavambahoaka intsony ny depiote Irmar miisa dimy. Efa naharay ny fampahafantarana avy amin’ny mpitsara avo izy ireo. Voakasik’ izany ny depiote isany: Rahantanirina Lalao voafidy ao Mahajanga I, Rahelihanta Jocelyne ao Antsiranana I, ny depioten’i Toliara II, Tinoka Roberto sy ny voafidy tany Mitsinjo, Ahmad Ahmad ary ny depioten’Analalava, Soafilira Princia.
Araka ny voatondron’ny lalàna, manana herinandro ahafahana manao ny fiarovan-tenany izy ireo. Hijoro sy hanampy azy ireo ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, fahafito, Milavonjy Philobert izay lehiben’ny vondron’ny mpanohitra ao Tsimbazaza. « Tahotra noho ny fandrahonana no antony tsy nahatongavan’ireo solombavambahoaka Irmar ireo nanatrika ny fivoriana ara-potoana farany teo teny amin’ny Antenimierampirenena », hoy izy nitondra fanazavana. “Tokony nofantarina ny antony fa tsy alefa avy hatrany eny Ambohidahy, ao amin’ny fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana ny raharaha. Tokony nampahatsiahy azy ireo ny filohan’ny Antenimerampirenena vao miroso amin’izany fanesorana ireo izay tsy nanatrika fivoriana”, araka ny nambarany. « Tafiditra amin’ny fiarovana ny ain’izy ireo koa izany », hoy ihany izy.
Efa niaka-dapa
Ankoatra ireo hoesorina, fa niaka-dapa tamin’ny fivoriana farany teo ny depiote Irmar sasany, toa an-dry Randriamananoro Augustin, Volamirany Mara Donna, Ratsivahiny Andry, Sahondrarimalala Marie Michelle. Tsy mbola hita popoka kosa anefa ny depiote Irmar sasany, toa an-dRaholdina Naivo sy Rakotomanga Lanto.
Tsiahivina fa, ny 6 janoary teo no nanambaran’ny filohan’ ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny fa depiote miisa dimy no hoesorina amin’ny toerany. Voalazany fa antony ny tsy fanatrehana fivoriana nandritra ny fotoana naharitra. « Efa vita ny dingana ara-dalàna teny anivon’ny HCC, ary andrasana ny tohiny », hoy izy. Izao namaly sy namoaka ny fanapahan-keviny izao izany ny etsy Ambohidahy.
Synèse R.




