Natomboka ny 12 janoary teo ny fanondranana drakaka velona andiany voalohany ho fanokafana ny fotoam-pitrandrahana. Voafantina sy nisantatra izany ny orinasa malagasy miisa roa. Nilaza ireo mpandraharaha fa “nihamora sy malalaka ny fikarakarana ireo antontan-taratasy takina amin’ny fanondranana raha toa ka nananosarotra izany nandritra ny taona maro”. Araka izany, manantena ny hitohizan’ny fiaraha-miasa tahaka izao ireo mpisehatra ho an’ny fampandrosoana maharitra ity sehatra ity izay anisan’ny andry iankinan’ny toekarena manga. Tsiahivina fa nivoaka ny 20 novambra teo ny fepetra vaovao napetrak’ireo firenena mpandray ny vokatra avy aty Madagasikara. Takiny ao anatin’izany ny hisoratana ireo orinasa rehetra mpanondrana entana ao aminy anarana indray. Nanaraka izany i Madagasikara ka nivoaka ny 8 janoary teo ny fankatoavana. Hatreto, miisa 12 ireo orinasa nahazo fankatoavana avy amin’i Chine hanondrana ny vokatry ny jono sy ny fampamokarana anaty rano. Heverina, araka izany, fa mbola hiampy ireo orinasa hahazo fahazoan-dalana ho fampivoarana ny toekarena manga sy hampiroboroboana ny fampidiram-bola ao anatin’ny kitapombolam-panjakana.
Henintsoa




