Fanondranana entana : Hisitraka ny Agoa mandritra ny telo taona i Madagasikara

Hitohy hatramin’ny taona 2028 ny fisitrahan’i Madagasikara ny Agoa, taorian’ny latsabato nataon’ny solombavambahoaka amerikanina.

Lany tamin’ny latsabato nataon’ny solombavambahoaka amerikanina tsy nasiam-panitsiana ny hisitrahan’i Madagasikara ny “Afri­can Growth and Opportunity Act” (Agoa) mandritra ny telo taona indray. Izany hoe, fifanarahana ara-barotra manome fahafahana tsy misy haba ny fanondranana vokatra avy eto Madagasikara sy avy amin’ ny firenana afrikanina mankany Etazonia hatramin’ny 31 desambra 2028. Mbola handinika ity fanapahan-kevitry ny House of Representatives ity ihany koa ny Rafitra misy ny loholona ao an-toerana izay mitondra ny lohateny “Agoa Extension Act”. Mitohy, araka izany, ny adisisika ataon’ny fanjakana malagasy ho an’ny tombontsoa ny asa sy ny orinasa ary ny varotra ivelan’i Madagasikara. Hifanome ta­nana ao anatin’izany ny minisitry ny Varotra sy ny fanji­fana, Andriamadison Haingo­tiana, ny masoivoho malagasy any an-toerana, Rakotomalala Lantosoa, ary ny sehatra tsy miankiana toy ny vondron’ny orinasa afakaba sy ireo mpiara-miombon’antoka (GEFP).
Dingana goavana no azon’ i Madagasikara amin’ny fanohizana indray ny Agoa raha toa ka tokony ho nifarana ny 30 septambra 2025 teo izy io. Manamafy ny fiaraha-miasa sy ny fankatoavan’ny amerikanina ny vokatra malagasy izay notohanan’ny maro an’isa izany. Nilaza ny masoivohon’i Madagasikara ao Washington fa “mitoetra ho andry iankinan’ ny rojom-pihariana stratejika mampifandray an’i Etazonia sy Afrika ny Agoa”. Notohi­zany fa miantoka ny faharetan’ ny asa maro ho an’i Afrikanina sy ho an’i Amerikanina maro ity rafitra ara-barotra ity. Mari­hina fa miara-mitantana ny Agoa ao anatin’ny vondron’ny Diplao­maty afrikanina ao Wa­shing­ton ny masoivoho mala­gasy. Lany tamin’ny latsabato miisa 340 ny hisitrahan’ireo firenena afrikanina ny Agoa raha toa nitsipaka izany ny 54.

Henintsoa

Partager sur: