Firosoana amin’ny fanavaozana : Hamaritra ny tohin’ny fikaonandoha ny FFKM

Hotanterahina ny alahady izao, etsy amin’ny Ekar Ando­halo, ny herinandro fiaraha-mivavaka, hotarihin’ny FFKM. Hatao amin’izany koa ny fa­mindram-pitantanana sy ny fampitana hafatra ho an’ny kristianina sy ny vahoaka, indrindra ny momba ny raharaham-pirenena.
Hampahafantarin’ireo filoham-piangonana amin’io fo­toana io ny ho tohin’ny fikaonandoham-pirenena, taorian’ ny nanokafana izany teny Ivato, ny 10 desambra teo. Efa nitohy tamin’ny fihaonan’ izy ireo amin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michael izany taty aoriana. Nanamafy izany koa ny dinika naharitra ora maro teo amin’ izy ireo sy ny minisi-panja­kana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, teny Andohalo, afakomaly. « Tafiditra amin’ny fandaminana eo amin’ny FFKM sy ny minisi-panjakana ary ny filoham-panjakana momba ny fikaonandoha ny dinika », hoy ny loharanom-baovao.
Etsy andaniny, efa nidina teny anivon’ny faritra ny minisi-panjakana nampahafantatra ny momba ny fikaonandoham-pirenena sy nifampidinika tamin’ireo hery samihafa ta­min’ireny toerana ireny.
Tsiahivina fa anisan’ny nambaran’ny eveka mpanampy, diosezin’Antananarivo, ny Mgr Mamiarisoa Modeste, ny alahady teo, fa goavana ny asa miandry ny FFKM eto amin’ny firenena amin’izao toe-draharaha izao. Nanen­tana ny rehetra ny tenany
ho avy hanatrika ny fotoam-bavaka hatao eny Andohalo, ny alahady tolakandro izao. « Firenena hiarahana manana i Madagasikara ka ny rehetra no andrasana amin’ny fahavononana handray ny andraikitra tandrify azy manomboka eny ifotony », hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: