Namoy ny ainy tetsy anivon’ny hopitaly HJRA, ny alatsinainy 12 janoary teo, tamin’ny 6 ora hariva, ilay zazavavy vao 5 taona monja niharan’ny fanolanana tany Tsiroanomandidy. Tsy nahatsiaro tena nandritra ny 20 andro io zaza io.
Tsy tana, omaly, ny ain’ ilay zazavavy vao dimy handray enin-taona
amin’ny volana febroary ho avy izao, taorian’ny tsy fahatsiarovany tena nandritra ny 20 andro. Niharan’ny fanolanana nataon’olona tsy fantatra io zazavavay io ka nitaraina tamin’ny mpitaiza azy, ny volana desambra lasa teo. Nentin’ny fianakaviany nihazo toeram-pitsaboana tsotra izy satria noheverin’izy ireo ho voan’ny tazomoka. Nomen’ ilay mpitsabo « suppositoire » io zaza io. Voamarin’ny fianakaviany teo am-panitrihana ny fanafody fa simba ny fivavian’ ilay zaza tsy manan-tsiny. Tsy nahatsiaro tena intsony ilay zaza nanomboka ny 24 desambra lasa teo. Nentina nihazo ny hopitaly CHRR Bongolava izy. Sahirana tanteraka anefa ny fianakaviany noho ny fisian’ny fanafody maro nilaina tamin’ny fitsaboana. Nisy olona tsara sitrapo nanao ranty tamin’ny tambajotran-tserasera sady nampahafantatra ny zava-nisy.
Nakarina teto an-dRenivohitra
Nentina nihazo ny hopitaly teto Antananarivo Renivohitra io zazavavy io. Nandray an-tanana feno tamin’ny fitsaboana azy ny mpitsabo eo anivon’ny HJRA ary nisy rahateo ireo tsara sitrapo nanampy ny fianakaviany tamin’ny famatsiana fanafody. Nanao ny ezaka rehetra nitsaboana io zaza niharan’ny fanolanana io ireo olona nandray an-tanana azy. Na teo aza ny fitsaboana andro aman’alina nataon’izy ireo, tsy nahatsiaro tena intsony io zaza io nandritra ny 20 andro. Niafara tamin’ny fahamoizany aina izany. Manoloana ity tranga ity, miantso ny tomponandraikitra mahefa hijery ifotony ny zava-misy sy hikaroka ary hampihatra ny lalàna amin’ny nahavanon-doza ireo nandray an-tanana an’io zaza io.
Tsiferana R.




