TSELATRA

Manao antso ny tokony hamoahana sy hamotsorana ny solombavam-bahoaka voafidy tao Fianaratsoa I, Sahondrarimalala Marie Michelle ireo andiam-behivavy tetsy Anosizato afakomaly. Nambaran’izy ireo fa tsy manara-dalàna ny fisamborana azy. « Nahavita tsara ny asany, nandritra ny maha minisitry ny Fanabeazam-pirenena azy teo aloha ity solombavahoaka ity », hoy hatrany ireo vehivavy ireo. Tsiahivina fa natao fisavana tamin’ny alahady 4 janoary 2026 lasa teo, ny trano fonenany. Noentina nanaovana fanadihadiana teny anivon’ny polisy économique Anosy ny tenany taorian’izay. Nangatahan’ny Brigade criminelle Anosy natao fanadihadiana indray ny 9 janoary teo. Nohamafisin’ireo andiam-behivavy ireo fa tsy nahitana porofo ny fampiangana azy ka tokony havoaka amin’izay.

Partager sur: