VAOVAO TAMBATRA

Haharitra hatramin’ny 16 janoary ny dinika iarahan’ny minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé sy ny solontena maharitry ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI), Eklou Kodjovi. Hifantoka amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ny roa tonta ny resaka. Ao anatin’izany ny fanombanana ny fampidiram-bola, ny fampiasam-bola ary ny toe-draharaha ara-toekarena. Horesahina ihany koa ny vinavina momba ny harinkarena, ireo sehatra lehibe toy ny fambolena sy ny banky.
Mitentina 9 miliara Ar ny tetibola natokan’ny Banky Iraisam-pirenena hamatsiana ny tetikasa Agriconnect. Tetikasa hamahana ny olan’ny famoka­rana sakafo, famatsiana, ny fahantrana ary ny tsy fananan’asa. Aty amin’ny firenena mahantra avokoa ny 2/3 ny tantsaha izay mamokatra ny 80% ny sakafon’ny mponina. Tanjon’ny tetikasa ny hampakarana 30% ny famokarana amin’ny taona 2050.
Miverina amin’ny laoniny nanomboka omaly ny famatsiana herinaratra ao amin’ny PIA Ambohi­manambola taorian’ny tsy fahatomombanana ny zotra mitondra herinaratra mahery vaika 138 Kv avy any Andekaleka. Vokany natsahatra ny famatsiana herinaratra avy any an-toerana mba hisorohana ny mety ho loza.
Vinavinaina ho vita ny volana mey izao ny asa fanarenana ny fantsona (quai) ao amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga. Mitentina 40,2 miliara Ar ny famatsiam-bola ataon’ny Banky Iraisam-pirenena ho fanatanterahana ny tetikasa izay natombola ny volana febroary 2025.

Partager sur: