Nisehoana fifandonana mahery vaika teo amin’ny andian-jiolahy sy ny zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra Itaosy, omaly maraina, tetsy amin’ny Cité Akany Sambatra, Ambohidrapeto. Jiolahy miisa telo voatifitra sy voasambotra. Iray tamin’ireo namoy ny ainy.
Niaina tao anaty horohoro sy tahotra ny mponina teny amin’ny fokontany Antanetibe, Cité Akany Sambatra, kaominina Ambohidrapeto, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, omaly tamin’ny 3 ora maraina. Poa-basy maro no henon’izy ireo nandritra ny fotoana vitsy nisian’ny fifandonana teo amin’ ny zandary sy andian-jiolahy. Nahazo antso avy amin’ny olona tsara sitrapo ny zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra Itaosy fa misy olona fito mpanendaka eny amin’ny fokontany Antanetibe iny. Nidina ifotony ny ekipan’ny zandary miisa enina, taorian’ny antso. Nandositra ireo olon-dratsy vantany vao nahatazana ny mpitandro filaminana. Raikitra, noho izany, ny fifanenjehana teo amin’ny roa tonta. Nasaina nijanona izy ireo saingy nirifatra nandositra hatrany. Namoaka ny antsy sy sabatra teny aminy ireo olon-dratsy. Voatery nitifitra ny mpitandro filaminana taorian’izay. Vokany, voan’ny balan’ny zandary, nandritra izany, ny jiolahy miisa telo, raha toa ka tafaporitsaka kosa ny efatra ambiny.
Niezaka nitsoaka ihany
Voatifitra teo amin’ny lohany ny iray, teo amin’ny maojany aoriana ny faharoa ary teo amin’ny kibony sy ny lamosiny ny fahatelo. Na dia teo aza ny ratra mafy nahazo ireo telo voatifitra ireo, mbola niezaka nitsoaka sy nitari-dositra hatrany. Maty tao anaty tambohon’olona iray nitsoahany ny iray tamin’ireo jiolahy. Nalemy tsy afa-nitsangana teo akaikin’ny vavahadin’olona, tsy lavitra ny toerana nahavoatifitra azy ny iray hafa. Nentina notsaboina tany amin’ ny hopitaly avy hatrany moa ity farany, taorian’izay. Tratra tany amin’ny hopitaly kosa ny fanintelony tamin’ireo voatifitra teo amin’ny maojany. Nitari-dositra namonjy aina tany amin’ny hopitaly moa izy io, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny zandarimaria.
Nahatrarana antsy sy sabatra
Tratra teny amin’ireto jiolahy ireto ny fitaovam-piadiana nampiasan’izy ireo, toy ny antsy sy sabatra miisa roa. Mbola hita teny amin’izy ireo koa ny finday izay nangalariny, rehefa nosavaina. Nikasa hanendaka teny amin’ny manodidina teny ihany moa ireto olon-dratsy ireto ka izao tra-tehaky ny zandary izao. Mbola karohina ireo namany tafatsoaka.
Mino




