Kly Randrianirina Michaël: «Mandresy lahatra ny vahiny handraharaha aty Madagasikara»

Vonona hiara-miasa amin’ireo mpampiasa vola samihafa i Madagasikira satria ma­nana ireo loharanon-karena stratejika mahasarika ireo mpampiasa vola. Vina napetraky ny fitondram-panjakana ny hialana amin’ny fampiasana solika mavesatra izay lafo sy mandoto ny tontolo iainana. Tanjona ny hampiasana ny angovo azo havaozina ho andry stratejika hampandrosoana ny toekarena. Tao anatin’ny lahateniny, nandritra ny Global Utilities Forum tany Abu Dhabi, nanamafy ny Filo­han’ny Fanavaozana, kolonely Randrianirina Michaël, fa “fampiasam-bola mahomby sady loharanon-karenan’asa sy famoronana asa ho an’ny mponina ny fampiasana ny angovo madio”. Nanolotra fiaraha-miasa mahomby amin’ireo mpampiasa vola ihany koa ny filoha izay mifototra amin’ny tetikasa azo antoka ara-bola, ao anatin’ny rafitra milamina, mangarahara ary azo antoka. Nambarany fa hohafainganina ny fanatanterahana ireo tetikasa amin’ny alalan’ny fanamorana ny dingana samihafa sy fanamafisana ny fandrindrana ny fanapahan-kevitra. Ankila­ny, atao la­haram-pahamehana manomboka izao ireo tetikasa haingana sy mora tanterahana, azo ampitomboina tsikelikely ary ahazoana vokatra azo tsapain-tanana ao anatin’ny volana vitsivitsy momba ny angovo. Nilaza izy fa “isaky ny Me­gawatt iray azo avy amin’ny herinaratra avy amin’ny ma­soandro ampidirina ao amin’ny tambajotra ampiasaintsika dia iray miliara Ariary no voatahiry amin’ny solika afarana”. Nana­mafy ny kly Randrianirina Michaël fa ”tsy mitady fampanantenana i Madagasikara, fa mpiara-miombon’antoka afaka manorina, mampiasa ary mampita fahaiza-manao eto Madagasikar

Henintsoa

Partager sur: