Olan’ny famatsiana jiro sy rano: Nosoloina miaramila i Ron Weiss

Nesorin’ny Filankevi-pitantanan’ny Jirama tsy ho tale jeneraly intsony i Ron Weiss. Nosoloina ny jeneraly Rasolofomanana Hajatiana izy. Vita omaly ny fifamindram-pitantanana.

Nahazo tale jeneraly vao­vao, noho izany, ny orinasa Jirama, araka ny ta­paky ny filankevi-pitantanana. Injeniera ny harena an-ki­bon’ny tany nianatra tao amin’ny Seko­ly ambony Politekni­ka, ny Jly Rasolomanana Hajatiana. Ma­nana traikefa maro samihafa sy fahaiza-manao momba ny in­dostria ny fitrandrahana ity ma­nam-boninahitra ity. Efa ni­tana andraikitra ambony maro teto amin’ny firenena izy. Ani­san’ iza­ny ny naha talen’ny laboratoire ny Omnis azy, ny taona 2010. Avy eo lasa tale jeneraly misahana ny akoranafo teo anivon’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo ny taona 2017, ary Sekretera jeneraly tao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy, tamin’ny taona 2021. Efa avy filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Ofisy malagasy ny akoranafo (OMH) nanomboka ny volana mey 2018 ka hatramin’ny taona 2020 ny tenany. Mbola nitana ihany koa ny andraikitra amina tale jeneraly mpisolo toerana ny “Alimenta­tion en eau dans le Sud (AES), na­nom­boka ny volana oktobra 2019 ka hatramin’ny novambra 2021.

Iraka napetraka tamin’i Ron Weiss
Tsiahivina fa voatendry ho Tale jeneralin’ny orinasa Jira­ma, ny volana mey 2024 ilay te­ratany Israelianina Ron Weiss. Andraikitra izay tokony ho tazominy mandritra ny roa taona farafahakeliny saingy tsy vitany hatramin’ny farany. Anisan’ny iraka napetraka ta­miny ny fa­molavolana rafitra hanarenana ny orinasa. Vita sy nekena ta­min’ny volana jona 2025 ireo antontan-taratasy ireo. Araka izany, andraikitra nosahanin’ity teratany vahiny ity ny tokony hamolavolany vina stratejika ho an’ny Jirama izay mifototra amin’ny politikan’ny governemanta momba ny fitantanana sy fampiroboroboana ny sehatry ny rano sy ny herinaratra. Andrai­kiny ihany koa ny famolavolana rafitra fampivelarana ny fisitrahana rano fisotro ma­dio sy fampitomboana ny famokarana angovo amin’ny vidiny mirary. Marihina fa ny Banky iraisam-pirenena no nametraka ity teratany vahiny ity ho mpitantana ny orinasa Jirama saingy notakin’ny sendikan’ny mpi­asa ny fialany nanomboka ny volana oktobra 2025.

Henintsoa

Partager sur: