Maro sahady ny fiovana amin’ny lafiny fambolena sy fiompiana any amin’ny faritra Vakinankaratra tao anatin’izay roa volana nitantanan’ny minisitra Rasatarimanana José Nirina izay. Nataony laharam-pahamehana ny fanatsarana ny fotodrafitrasa. Miisa 12 ny Fikambanan’ny mpampiasa rano (AUE) notsidihin’ny teknisian’ny Fitantanam-paritry ny Fambolena sy ny fiompiana (DRAE) Vakinankaratra. Mirefy 398 km ny lakandrano nokojakojaina. Tombony lehibe ho an’i Vakinankaratra ny fisian’ny Foibe CFFAMMA Antsirabe. Miisa 19 ny tanora niofana ho mpamily fiara vaventy ho an’ny fambolena, tao anatin’ny roa volana. Efa vita koa ny fanadinana hidirana ho taona voalohany ao amin’ny sampam-piofanana momba ny milina ara-pambolena sy ny fampitaovana ara-pambolena. Notohanana ny mpamboly sy mpiompy. Nitohy ny fanohanana ny tantsaha. Nahatratra 120 taonina ny zezika nozaraina tamin’ny tantsaha mihoatra ny 5 000. Miisa 5 ny teknisianin’ny DRAE Vakinankaratra niofana ho mpitsirika masomboly, ny novambra 2025. Mitotaly 59 ny « brigadiers phytosanitaires », manoloana ny firongatry ny aretina mpanimba voly, tamin’ny alalan’ny tetikasa Purpa. Eo am-panitarana ho 10 ha raha 1ha izao, ny toeram-pikarohana ara-pambolen’ny minisitera any Andranomanelatra, iarahana amin’ny tetikasa FSRP. Miara-miasa ny minisitera sy ny Fifamanor hampiroboroboana ny seha-pihariana ronono. Hampiharina ny fampanarahana enti-tanana sy ny fametrahana lahin’omby. Hampiasaina ny vilona tsara kalitao.
Njaka A.




