Air Madagascar : Diso ny filazana fa namidy ny fananany

Disoin’ny Air Madagascar sy ny kaompania Madagascar Airlines tanteraka ny filazana momba ny fivarotana ny fananan’ny Air Madagascar. Vaovao izay niely sy niparitaka tamin’ny haino vaky jery. Namoaka fanambarana sy fanazavana ny zava-misy ireo tomponandraikitra ary nilaza fa tsy nisy fivarotana ny fananana natao na avy amin’ny Madagascar Airlines na avy amin’ireo ekipany. Nivoitra tao anatin’izay fa eo am­bany fanaraha-mason’ireo tomponandraikitra mahefa tante­raka ny fitantanana ny fananan’ny Air Madagascar. Araka izany, tsy mahazo mivarotra ireo fananana ireo ny « Syndics » raha tsy misy fankatoavana mialoha avy amin’ny fitsarana ara-barotra. Araka izany, vonona haneho ny mangarahara anatin’ny fanajana ny lalàna ary ny fiarovana ireo fananan’ny kaompaniam-pitaterana nasionaly ireo tomponandraikitra voalaza etsy ambony. Noho izany, handray fepetra maha­kasika ny fanelezana vaovao tsy marina ny Air Madagascar sy ny Madagascar Airlines. Na izany, vonona hitondra fanazavana, fanamarihana sy fanaraha-maso ary fanadihadiana momba ny raharaha ny roa tonta.

Henintsoa

Partager sur: