Nifanenjehan’ny mpitandro filaminana nanao fisafoana teny Ambodivona, lavon’ny bala, ny jiolahy iray, afakomaly alina. Malaza ratsy amin’ny fisiana mpanao sinto-mahery, mpanendaka sy asan-jiolahy eny amin’io faritra io ka nanao hetsika manokana ny ekipan’ny polisim-pirenena eo anivon’ny CUI sy ny UIR. Nahare antso vonjy tampoka tamin’ny olona nandalo izy ireo. Raikitra ny sakoroka satria nendahin’ny mpanao ratsy ny olon-tsotra iray. Nifanenjehan’ny mpitandro filaminana tao anaty haizina ireo jiolahy. Nitondra antsy lavalela io mpanendaka io ary nikasa hamaly ireo mpitandro filaminana izay nikasa hisambotra azy. Nampiasa fitaovam-piadiana, noho izany, ireo polisy. Naratra mafy vokatr’izany ilay mpandroba ary tsy tana ny ainy. Nentina teny anivon’ny tranom-patin’ny hopitaly HJRA ny nofo mangatsiakany. Nanamafy ny polisim-pirenena fa mitohy ny asa fitandroana ny filaminana ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra. Tanjona ny hampihenana ny tranga tsy fandriampahalemana. Tsiahivina, mpangarom-paosy miisa efatra voasambotry ny polisy teny amin’ny faritry 67 Ha, ny faran’ny herinandro teo. Samy notanana vonjimaika any am-ponja avokoa izy ireo.
Tsiferana R.




