Hatao ny 9 sy ny 10 avrily ho avy izao ny fihaonambe CEO Summit 2026, andiany faharoa. Hetsika ara-toekarena miara-karakarain’ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (Sim) sy ny Antokondraharaha Becom. Fihaonamben’ny mpandraharaha mitantana orinasa misongadina maneran-tany, ny mpanapa-kevitra ara-toekarena aty Afrika sy iraisam-pirenena, entina hampiroboroboana ny fandraharahana eto Madagasikara izy io. Hisy koa firenena hasaina manokana.
Tanjona vaovao no kendren’ny CEO Summit 2026. Hifantohana ny fiaraha-miasa aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina. Hanampy ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fananganana fotodrafitrasa ny fampandrosoana ny niomerika, ny fikarohana tolotra na vokatra vaovao. Homen-danja ny fampiasam-bola, ny toekarena maitso sy manga, ny fiaraha-miasan’ny firenena samy tatsimo, ny fitantanan-draharaha, sns. Tsy mionona ho an’ny sehatra tsy miankina ihany ny fihaonambe fa ahitana ny rafi-panjakana, ny mpamatsy vola ihany koa. Hisy ny fifaninanana « Award » ho an’ny mpandraharaha na orinasa, hifantoka amin’ny sehatra dimy. CEO 2026, ny vehivavy CEO 2026, ny reharehan’ny ranomasimbe Indiana, ny RSE 2026, ny zava-baovao 2026, ny banky 2026 ary ny loka manokana ny label « Malagasy ny antsika ».
Nahatratra 579 ny mpandray anjara tamin’ny CEO Summit andiany voalohany, natao ny desambra 2024. Anisan’ny fahombiazana vita ny fankatoavana ny mari-pamantarana « label de l’Océan Indien ».
Njaka A.




