Fianarantsoa : Lehilahy hita faty nifato-tenda

Raim-pianakaviana iray hita faty tao anaty lobolobo tao amin’ny tanànan’Isaha Atsimo, kaominina Fianaran­tsoa, ny marain’ny alarobia 14 desambra teo, tokony ho tamin’ny 9 ora. Mpanadio teny amin’ny toerana manodidina no nahatsikaritra tranga hafahafa. Nahatazana olona tao anaty kirihitra izy ireo kanefa tsy nihetsika intsony io olona io. Nanamarina ny zava-nisy ireo mpiasa mpanao asa tagnamaro kinanjo lehilahy nifatotra tady tamin’ny tenda no tavela tao anaty lobolobo. Tsy nisy aina intsony anefa ilay raim-pianakaviana. Nian­tso manam-pahefana avy hatrany ireo nanatri-maso. Nidina ifotony nijery ny zava-misy ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo izay nanao ny fizahana ny vatana manga­tsiaka. Efa maty ny alin’ny talata teo izy io, raha ny fiti­liana nataon’ny mpitsabo. Tsy fantatra mazava ny anton’ny fahafatesany raha toa ka ninia namono tena na mety ho tranga vonoan’olona. Miroso amin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Tsiahi­vina, tranga faty olona miisa efatra niseho tao anatin’ny efatr’andro ary tamin’ny fari­tany samihafa. Anisan’izany ilay lehilahy hita faty nihan­tona tamin’ny tady tao Maha­janga, afakomaly.

Tsiferana R.

Partager sur: