Miteraka resaka eo amin’ny diaspora malagasy monina atsy amin’ny Nosy Mayotte sy ny fitondram-panjakana ny momba ireo vata mpanova herinaratra, “transformateurs”, natokana ho an’ny faritra Boeny.
Fitaovana izay nomena ho fanomezana tamin’ny taona 2022 hiadiana amin’ny delestazy, saingy nalefa eto Antananarivo ny ampahan’ireo fitaovana ka niteraka ahiahy sy fitarainana. Miisa 24 ireo vata mpanova herinaratra novidin’ireo diaspora malagasy tamin’ny alalan’ny fikambanana Amicale Terak’i Mahajanga (Atema). Tetikasa tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa miaraka amin’ ny faritra hampihenana ny fahatapahan-jiro sy rano ao an-toerana efa an-taona maro. Araka izany, tonga tao amin’ ny seranan-tsambon’i Mahajanga, tamin’ny taona 2022 ireo fitaovana, saingy tsy mbola nozaraina hatramin’ izao. Olana ara-bola no voalaza fa tsy nahafahana namoaka ireo fitaovana tao amin’ny seranana. Taorian’ny fiovan’ny fitondrana, nalefa eto Antananarivo ny 18 tamin’ireo vata mpanova herinaratra, araka ny toromariky ny minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo noho ny filazana fa novidiana tamin’ny volam-panjakana ireo fitaovana. “Lavinay tanteraka izany ary fanomezana manokana ho an’i Mahajanga ireo”, hoy ny filohan’ny Atema, Rakotondravelo Rivomalala. Manameloka ny zava-misy, noho izany, ny diaspora malagasy ka mangataka ny hamerenana ireo vata mpanova herinaratra ao an-toerana.
Fandrosoana
“Efa voavaha amin’ny ampahany ny zava-misy”, hoy ny talem-paritry ny fandrindrana ny fampandrosoana. Nambarany ihany koa fa miisa 22 ireo vata mpanova herinaratra hita tao anaty kaontenera 40 pieds izay natokana ho an’ny kaomina nandritra ny famoahana azy ny 5 desambra teo. Nambarany ihany koa fa tokony haverina ao Mahajanga ireo “transformateurs” vaovao ireo vantany vao tonga ireo fitaovana nafaran’ny fanjakana. Ankoatra ireo vata mpanova herinaratra, nahitana boky fianarana milanja enina taonina ihany koa ilay kaontenera natokana ho an’ireo Lycée ao Mahajanga.
Henintsoa




