Nitazona basy tsy ara-dalàna : Lehilahy roa voasambotry ny polisy tetsy Anosizato

Notanana eny anivon’ny kaomisaria foibe Tsaralalàna ireo roa lahy tratra nihazona basy tsy ara-dalàna tetsy Anosizato, omaly. Tsy nahitana taratasy manamarina ny fahafahana mihazona sy mampiasa izany teny amin’izy ireo. Anton’ny fisamborana.

Nosamborin’ny polisim-pirenena avy ao amin’ ny Compagnie urbaine d’intervention (CUI) omaly, tamin’ny 11 ora atoandro, tetsy Anosizato, ny lehilahy roa,
tratra nihazona basy tsy ara-dalàna. Nanao taingin-droa tamin’ny moto scooter izy roa lahy ireo. Nirifatra tampoka sy nandeha mafy rehefa nandalo teo amin’ny polisy misahana ny fifamoivoizana eny Anosi­zato. Mbola nan­deha nifanohitra tamin’ny la­lana sady nie­zaka nandositra ny tetezana ihany koa izy ireo, nandritra ny sakana fanaraha-maso ny fifamoivoizana. Nite­raka ahiahy ny fihetsik’izy ireo, noho izany, ka tsy maintsy nosavaina.
Nahitana basy poleta “calibre 7,67 cm” iray sy bala miisa enina tany amin’izy roa lahy rehefa nosavaina. Nitondra basy izy ireo nefa tsy nahitana taratasy ara-dalàna manamarina ny fahazoany mihazona sy mampiasa izany, raha ny vaovao voaray avy amin’ny polisim-pirenena. Tsy fantatra mazava ny antony nihazo­nan’izy ireo izany, raha ny fana­zavana voaray.

Nahitana rongony
Ankoatra izay, mbola nahitana fonosana rongony iray sy zavatra maro hafa mampiahiahy ihany koa teny amin’izy ireo, nandritra ny fisavana. Manoloana izany, nosambo­rina sy natao andrimaso eny anivon’ny Kaomisaria foibe Tsaralalàna izy ireo, taorian’ izay. Natolotra ny Sampandra­haraha misahana ny fanadihadiana (SUT) miatrika fanadihadiana. Atolotra ny fampanoavana ny raharaha aorian’ ny famotorana. Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny asan-jiolahy sy fiarovana ny vaho­aka izao hetsika izao. Ahina ho mpiray tendro amin’ny fi­kambanan-jiolahy ireto olona voasambotra ireto. Ny tohin’ny fanadihadiana no hahafantarana ny tena zava-misy manamarina izany na tsia, ny niavian’ilay basy sy ny tanjona amin’ny fampiasana azy.

Mino

Partager sur: