TSELATRA

Lehilahy iray, tokony ho 22 taona, hita faty tetsy akaikin’ny ranon’Ikopa, tetsy Ankazobe Alasora, omaly maraina. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny fianakavian’ny maty, nodomin’ny fiara teny an-toerana izy io. Lasa nandositra moa ny nahavanan-doza toarian’ny loza ni­tranga. Efa eny anivon’ny fianakaviana ny razana, omaly, toarian’ny fitsirihana nataon’ny mpitsabo.
Naiditra am-ponja vonjimaika, afakomaly, ny raim-pianakaviana iray, nahavita namono ny vadiny tany Ambalatevana, Tsaratanàna II, ny 1 janoary 2026 teo. Vehi­vavy iray 46 taona hita faty nivalampatra teo am-pan­driana. Takon-kenatra sy aronono sisa no teny aminy. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana izy io. Tsy nisy entana very tao an-trano, tsy nisy ra mandriaka fa efa nodiovina tsara ny ratra teo amin’ilay maty.

Partager sur: