Hitondra fanavaozana faran’izay haingana sy fitahiana ary fahasoavana ho an’ny firenena ve raha tapitra hogadraina avokoa ny volomboasary rehetra? Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Confédération syndicale des agents de l’État (Csaem), ny jeneraly Ravalison Israël, manoloana ny ady amin’ny kolikoly sy ny tsimatimanota amin’izao. Lasa toy ny hoe “Alefa Barea” ny fanagadrana amin’ny zavatra rehetra. Tsy fisainana maloto na zavatra tsy rariny no hanagadrana olona.
Efa nitondra ny raharaha eny amin’ny fitsarana ny depiote voafidy tany Mitsinjo, Faritra Boeny, Ahmad Ahmad, ary miandry izay ho tohiny, araka ny nambarany teny Mahamasina, omaly, momba ny fangatahana ny fanalana azy tsy ho depiote eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Tsy manahirana ny fanalana azy tsy ho depiote, saingy fanaovana tsinontsinona ireo vahoaka nifidy azy izany. Maro ireo depiote afa-manamarina fa nanatrika ny fivoriana izy.
“Inona no zavatra ho vitan’ny fitondram-panjakana ao anatin’ny roa volana?”, hoy ny fijerin’ny filoha mpanorina ny fiangonana Apokalypsy, ny pasitera Mailhol, ny amin’ny fe-potoana nomena ny governemanta ho amin’ny fanavaozana. Efa mivadika izao ny olona: farafaratsiny enim-bolana na herintaona no hitsarana azy. Mba lojika izay. Tsy misy azo itsarana azy ao anatin’ny roa volana hoe: inona no tsy vitany? Raha roa volana hitsarana azy, miala avokoa angamba ny 80% na 99%.




