Fifanarahana politika : Mitaky tondrozotrana Tetezamita ireo antoko

Faranana ny lalàmpanorenan’ny Repoblika IV, hatsahatra ny andrimpanjakana rehetra, ary hatsangana ny governemantan’ny fiaraha-mitantana… Ireo no anisan’ny fehinkevitry ny fikaonandohan’ny mpanao politika teny Ankoron­drano, tamin’ny 12-15 desambra lasa teo, izay nokarakarain’ny Komity fanavaozana ifotony an’i Madagasikara (KFI M). Nataon’ireo antoko politika miisa 100 eo ho eo teny amin’ ny efitrano fivoriana, kianja Barea, Mahamasina, omaly, izany. Tsy inona fa itakian-dry zareo tondrozotra ho amin’ny fitondrana Tetezamita. Eo, ohatra, ny fe-potoana faharetany, ny rafitra amin’izany, ny fomba itondrana azy… Na izany aza, eken’izy ireo ary hanamafisany fa ny kolonely Randrianirina Michaël no filoham-panjakana miadidy ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara.
“Nisy zavatra niaraha-nitaky teto amin’ity firenena ity”, hoy ny filohan’ny KFIM, Rabe­va­hiny Elia, ny amin’izany. Filohan’ny antoko Otrikafo ary mpanolotsaina manokan’ny filohan’ny Fanavaozana amin’izao. Napetraka teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey, tamin’ny 13 oktobra, fa hoe rava ny lalàmpanorenan’ny Repoblika IV sy ny andrimpanjakana re­hetra. Ireo andrimpanjakana rehetra tsy nahomby teto amin’ny firenena izany. Tsy nifanarahana hoe solombavambahoaka efatra na dimy esorina, na soloina ny filohan’ny Ceni, na manala loholona roa, na fanoloana mpikamban’ny Fitsarana avo momba ny la­làmpanorenana (HCC) telo no atao hoe fanavaozana.
Ho an’ny mpandinika sa­sany, mbola eo ny tarazon’ny fomba fanaovana politika fa tsy fanovana na fanavaozana: fitadiavan-tseza amin’ny hoe fiaraha-mitantana? Ho hita eo ny ho tohiny…

R. Nd.

Partager sur: