Mandray anjara amin’ny dingana famaranana amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena « Tekbot Robotic Challenge (TRC 2025) », ny Malagasy, atao anio 17 sy 18 janoary ho avy izao any Bénin. Nisalotra ny anarana hoe Innovator izy ireo, mpianatra avy amin’ny Sekoly ho an’ny fitantanana sy ny famoronana ara-teknolojika (Emit). Nanohina ny antson’izy ireo ny orinasa Airtel Madagasikara sy ny Airtel Money, ka manohana ny Innovator, ahafahan’izy ireo mandray anjara feno amin’ity fifaninanana ity.
Nanaiky hanohana ny ekipa Innovator ny Airtel, entina hanasongadinan’ny tanora malagasy ny talentany, ny famoronana ary ny fananan’izy ireo toe-tsaina siantifika. Eo koa ny fampiroboroboana ny teknlojia sy ny tontolo iainana, ny fampandrosoana ny tanàn-dehibe. Homen-danja i Madagasikara aty Afrika sy iraisam-pirenena, hanehoana fa mahay mamorona ny tanora malagasy.
Navoitran’ny tale jeneralin’ny Airtel Madagasikara, Ramatoa Anne-Catherine Tchokonté, fa « atokisanay ny tanora malagasy. Vonona izahay hanohana azy ireo, araka izay vitanay, ho vahaolana ho an’i Madagasikara sy Afrika. Reharehan’ny taranaka ny fahombiazan’izy ireo »
Njaka A.




