Nandroba 27 tapitrisa Ar : Lehilahy iray naiditra am-ponja

Voasambotry ny zandarimaria miasa eo anivon’ny kaompania Tanà Ville ny lehilahy iray nandroba lelavola an-tapitrisany tao amin’ny efitrano fatoriana teratany vahiny iray tetsy Analakely, ny 8 ja­noary teo. Nidiran’io lehilahy io antsokosoko ny trano nisy ny teratany vahiny, ny alin’ny sabotsy 2 janoary lasa teo. Ni­hevitra ho tsy nisy nahatsikaritra ilay mpanao ratsy ka ni­voaka moramora tao amin’ ny trano fatoriana rehefa avy naka ny vola. Nitaraina ny lasibatra ka nanamarina tamin’ny horonantsary voarakitry ny “caméra de surveillance” ny tomponandraikitr’ilay trano fandraisam-bahiny. Hita, tamin’izany, ny lehilahy iray izay nitondra zavatra nibontsina tanaty kitapo nivoaka io efitra voalaza io. Nametraka fitoriana teny anivon’ny zandarimaria Tanà Ville ilay niharan’ny fandrobana. Nanao ny angom- baovao rehetra ny ekipan’ny zandary ka fantatra fa nialokaloka tany amin’ny ta­nindraza­ny, tao Amparafara­vola, ilay mpanao ratsy. Ni­di­nan’ny zandary tany an-toerana taorian’ny fanomezana alalana avy amin’ny fi­tsarana. Tratra tao Ambato­man­ga, kaominina Mo­rarano Chrome, distrikan’ Amparafa­ra­vola tokoa ilay olona hita ta­min’ny horonantsary. Lelavola 11 090 000 sa­rona tao anatin’ny kitapon’io lehilahy io taorian’ny fisavana azy. Nividy moto cross iray ta­min’ilay vola halatra ihany koa ity farany. Nogiazana io moto io. Nentina niakatra ny Reni­vo­hitra izy ary naverina amin’ny tompony ny ambim-bola. Natolotra ny fampanoavana ny raharaha ka nohazonina vonjimaika any am-ponja ilay mpandroba.

 

Tsiferana R.

Partager sur: