Nihaona tamin’ireo solontenam-panjakana avy amin’ny fileovana manerana an’i Madagasikara teny Mahazoarivo ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, omaly. Nambarany fa mamaha ny hetahetam-bahoaka ny fitondrana.
Fampahatsiahivana, fanamafisana… “Miroso amin’ ny famahana ny hetahetan’ny vahoaka ny fitondram-panjakana”. Io no anisan’ny hafatry ny Praiminisitra, lehiben’ny governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, tamin’ny fihaonana tamin’ireo solontenam-panjakana na ny prefet avy amin’ny Fileovana manerana an’i Madagasikara, teny amin’ ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, omaly. Nitarika azy ireo tamin’izany ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Rakotonandrasana Hanitra Velonjara Tiaray. Ny fitantanana mahomby ary misy vokatra mivaingana azo tsapain-tanana eny ifotony no lalana sy antoka lehibe hanamafisana sy hamerenana amin’ ny laoniny ny hasin’ny fahefam-panjakana. Anisan’izany ny ezaka fanaovana tombana ny asan’ireo ben’ny Tanàna manerana ny Faritra. Tsy maintsy mifototra amin’ny fahamendrehana sy ny fahasahiana ary ny fahavononana hiady amin’ny kolikoly kosa ny fitantanandraharaham-panjakana, araka ny nambarany. Ho fananganana fanjakana mahefa sy mangarahara ary akaiky vahoaka izany.
Manoloana izany ary ho setrin’izay kosa, naneho ny fahavononany sy ny fanoloran-tenany ireo prefet amin’ny fanatanterahana amim-pahitsiana ny Politika ankapoben’ny Fanjakana (PGE) ho amin’ ny fanavaozana, araka ny soatoavina repoblikanina. Hokatsahina hatrany koa ny tombontsoan’ny vahoaka malagasy.
R. Nd.




