Naneho ny fahaiza-manaony teo amin’ny tontolon’ny teknolojia indray ny tanora malagasy nandritra ny «Techfest 2025» tany Mumbaï. Tamin’ ity, tafiditra tao anatin’ny Top 10 maneran-tany i Madagasikara raha toa ka tao anatin’ny Top 20 teo aloha. Mbola isika irery ihany koa no ekipa afrikanina tafakatra amin’ny dingan’ny famaranana ny fifaninanana. Manaporofo izany ny herijika sy ny fahaiza-manao ary ny talenta malagasy eo amin’ny sehatry ny siansa, ny teknolojia ary ny matematika (STEM). Handrefesana izany ny traikefa, ny fifanakalozana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izay fototra iorenan’ny hoavy mamiratra eo amin’ny tontolon’ny asa.
Firaisankina
Nanohana sy niara-dia tamin’ny ekipa malagasy ny Orange Madagascar sy ny STEM for Good ao Matsiatra ambony. Laharam-pahamehana ho an’ny Orange Madagascar hatrany ny fampiroboroboana ny maha olona eo amin’ny sehatry ny niomerika mba hifehezana sy hampatanjaka ary hampaharitra ny teknolojia. Ankotra izay, efa mpiara-miombon’antoka amin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra (MNDPT) hatry ny ela ny Orange Madagascar sy ny STEM for Good. Hanamafy izany ireo tetikasa samihafa iraisany manomboka amin’ity taona ity amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny fahaiza-manao sy ny talentan’ny tanora malagasy eo amin’ny sehatry ny teknolojia niomerika.
Henintsoa




