Voasambotry ny zandary tetsy Ankadikely Ilafy ny alin’ny 14 janoary lasa teo, ny lehilahy iray nangalatra volan’ny orinasa tany amin’ny Banky. Nirahina haka vola 50 tapitrisa Ariary izy ny 13 janoary, nefa tany dia tsy niverina. Nandefa hafatra tamin’ilay mpaniraka izy fa lasan’ny mpitandro filaminana ireo vola satria tsy mazava, novonoiny ny findainy nanomboka teo. Natao ny fikarohana. Hita teny aminy ny vola 5 tapitrisa Ar. Notsinjarany anaty fitehirizam-bola nomerika ny 30 tapitrisa ariary. Nividianany moto ny telo tapitrisa ary nandoavana saram-pianarana ny 5 hetsy.
Fiara mpitatitra entana roa nifandona teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, omaly maraina, teo aloha kely tsy hidirana an’i Moramanga. Tsy nisy ny naratra sy ny aina nafoy tamin’io tranga io. Nikasa hisongona ilay fiarabe teo alohany ny iray nefa tsy tafavoaka ka nifampikasoka.
Fiara kely roa hafa ihany koa nifandona tany amin’ny lalam-pirenena voalohany, omaly hariva. Samy nandeha mafy ny fiara ary nifanena sy nifandona teo amin’ny fiholahana iray anelanelan’i Miarinarivo sy Analavory. Nipitika tany amin’ny sisin-dalana ilay fiarakely iray noho ny hamafin’ny dona teo amin’ny roa tonta. Potika tanteraka ihany koa ireo fiara.
Renim-pianakaviana iray nitsambikina tao ambanin’ny tetezan’i Soanierana Fianarantsoa, afakomaly hariva. Raha ny fanazavana voaray, noho ny ditran-janany, izay tsy nahitam-bahaolana intsony, no antony nahatonga azy nikasa hamono tena. Nisy nahita ny nitsambikinany tao ka voavonjy ara-potoana ity farany. Nentina namonjy hopitaly avy hatrany taorian’izay.




