VAOVAO TAMBATRA

Hotanterahina eny amin’ny CCI Ivato, amin’ny alatsinainy izao, ny dinika ho fanaingana ny toekarena. Hojerena manokana ny fomba hanohanana ny sehatra tsy miankina mba ho afaka hifaninana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ao anatin’izany ny fampiroboroboana ny famokarana eto an-toerana. Ny sehatra tsy miankina izay mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny harinkarena sy miantoka hatrany amin’ny 90% ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena.
Hamokatra rano 540 m³ isan’ora ilay paompy vaovao napetraka ao Mandroseza. Hitombo, araka iza­ny, ny vokatra ho azon’ny mpanjifa aorian’ny fametrahana ny fotodrafitrasa. Mbola hisy ny paompy hafa ha­petraka hamahana ny olan’ny famatsian-drano. Hetsika izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa fanatsarana ny fampisitrahana rano fisotro madio (PAEP) vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola.
Sahirana ny ankamaroan’ireo mpanafatr’entana manoloana ny fitotongan’ny vola malagasy. Tao anatin’iray volana, niiba ny sandan’ny ariary noho ny fitomboan’ny fanafarana entana nandritra ny fety. Matiantoka tanteraka ireo mpandraharaha satria voatery mampiakatra vidin’entana izy ireo kanefa mihena ny mpanjifa.
Faly sahirana ny tokantrano amin’izao vanim-potoan’ny fahavaratra izao. Mahazo rano avokoa ireo tsy misitraka izany raha sahirana manoloana ny fiakaran’ny rano kosa ny hafa. Na izany, mahavelombolo ny tantsaha sy ny mpamboly ny rotsakorana, ahafahan’izy ireo mampiroborobo ny famokarany.

Partager sur: