Analamahitsy Cité : Zaza efatra tratra namaky trano

Niditra teo am-baravarankely, ankizilahy miisa efatra tratra namaky trano tao amin’ny fokontany Analamahitsy Cité, boriborintany fahadimy, ny alarobia 14 janoary teo. Nihidy ilay trano nokasain’ny mpanao ratsy horobaina tamin’io fotoana io. Ny varavarankely izay afaka nakisaka ny hidiny, saingy tsy tafiditry ny olon-dehibe. Nanita-kevitra ireo mpamaky trano ka nasainy nisitrika teo amin’io varavarankely io ireo ankizy efa-dahy. Lasan’izy ireo ny entana toy ny fatana mandeha amin’ny herinaratra, fitaovana fampangotrahana rano amin’ny herinaratra hatramin’ny “Rice cooker” sy ny fitaovam-pisotroana. Nifanindra an-dalana amin’ny hetsika “Mahomby” ataon’ny polisy io tranga io ka nokarohina avy hatrany ireo mpandroba. Sarona tamin’ny toerana manodidina ireo entana halatra. Tratra izy efa-dahy ka nahazo famaizana sy fananarana avy amin’ny polisin’ny CSP8. Nanome fananarana ny ray aman-drenin’ireo zaza ireo koa ny polisy.

Tsiferana R.

Partager sur: